FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 13:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Tokony hovonoina ho faty kosa izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Izy mantsy nitaona anareo hikomy tamin’i Jehovah Andriamanitrareo, ilay Andriamanitra nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, sy nanavotra anareo avy tany amin’ny toerana nanandevozana anareo. Nitaona anareo hiala amin’ilay lalana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo haleha koa izy. Esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.+

  • Deoteronomia 17:2-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Andeha hatao hoe misy lehilahy na vehivavy eo aminareo, ao amin’ny iray amin’ny tanàna homen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka manao izay ratsy eo imason’i Jehovah sady mivadika amin’ny fifanekena nataon’Andriamanitra.+ 3 Dia lasa manompo andriamani-kafa izy ary miankohoka amin’ireny, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana na amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ nefa zavatra tsy mba nandidiako izany.+ 4 Rehefa misy milaza aminao momba an’izany, na henonao izany, dia tokony hanadihady tsara ianao. Raha voaporofo fa nisy nanao+ an’izany zava-maharikoriko izany tokoa eo amin’ny Israely, 5 dia avoahy ho eny am-bavahadin’ny tanàna ilay lehilahy na vehivavy nanao an’izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara