-
Josoa 19:47, 48Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
47 Kely loatra ho an’i Dana anefa ny faritry ny taniny.+ Niakatra hiady tamin’i Lesema+ àry izy ireo. Dia azony izy io ary nasiany tamin’ny sabatra ny mponina tao. Ary naka an’ilay tanàna ho fananany izy ireo ka nipetraka tao. Dia novan’izy ireo hoe Dana, hoatran’ny anaran’i Dana razambeny,+ ny anaran’i Lesema. 48 Izany no lova nozaraina ho an’ny fokon’i Dana, araka ny fianakaviany avy. Ireo ny tanàna sy ny tanàna kelin’izy ireo.
-
-
1 Mpanjaka 4:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Niaina nilamina tsara ny Joda
sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona. Samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
-
-
1 Mpanjaka 12:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Rehefa avy nanontany an’ireo mpanolo-tsainy ny mpanjaka, dia nanamboatra zanak’omby+ volamena roa ary niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Sahirana be loatra ianareo miakatra any Jerosalema. Koa io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”+ 29 Dia napetrany tao Betela+ ny iray, ary tany Dana+ ny iray.
-