-
Josoa 7:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nifoha maraina àry i Josoa ny ampitson’iny, dia nasainy nanatona isam-poko ny Israely, ka ny fokon’i Joda no voafidy. 17 Nasainy nanatona ireo fianakavian’i Joda, ka ny fianakavian’ny Zerita+ no voafidy. Ary nasainy nanatona tsirairay ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’ny Zerita, ka i Zabdy no voafidy. 18 Farany, dia nasainy nanatona ny lehilahy tsirairay tao amin’ny ankohonan’i Zabdy, ka i Akana zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy amin’ny fokon’i Joda, no voafidy.+
-