-
1 Samoela 8:11-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Hoy izy: “Izao no zo hananan’izay ho mpanjakanareo:+ Halainy ny zanakareo lahy,+ ka hasainy hitondra ny kalesiny+ sy hataony mpitaingin-tsoavaliny.+ Ary ny sasany hasainy hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny. 12 Ny sasany hotendreny ho lehiben’ny arivony+ sy lehiben’ny dimampolony.+ Ny sasany kosa hiasa ny taniny+ sy hijinja ny vokatry ny taniny,+ ary hanamboatra ny fitaovam-piadiany sy ny fitaovana amin’ny kalesiny.+ 13 Halainy koa ny zanakareo vavy, ka hataony mpanamboatra menaka fanosotra* sy ho mpahandro ary ho mpanao mofo.+ 14 Halainy izay tsara indrindra amin’ny sahanareo sy ny tanimboalobokareo ary ny sahan’olivanareo,+ ka homeny ho an’ny mpanompony. 15 Halainy koa ny ampahafolon’ny vokatra avy amin’ny sahanareo sy ny tanimboalobokareo, ka homeny ho an’ny tandapany sy ny mpanompony. 16 Halainy ny mpanompolahinareo sy ny mpanompovavinareo, sy izay tsara indrindra amin’ny biby fiompinareo, ary ny ampondranareo, ka hasainy hiasa ho azy.+ 17 Halainy koa ny ampahafolon’ny ondry aman’osinareo,+ ary ianareo ho lasa mpanompony. 18 Dia hitaraina mafy ianareo indray andro any, noho ilay mpanjaka nofidinareo ho anareo,+ saingy tsy hamaly anareo i Jehovah amin’izany andro izany.”
-