FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 1:39, 40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Nalain’i Zadoka mpisorona avy tao amin’ny tranolay+ ny tandroka nisy menaka,+ ka nohosorany ho mpanjaka i Solomona.+ Dia notsofina ny anjombona, ary niara-niredona ny olona rehetra hoe: “Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!” 40 Niakatra nanaraka azy ny olona rehetra avy eo sady nitsoka sodina ary faly be, ka hoatran’ny hitresaka mihitsy ny tany noho ny kotaban’izy ireo.+

  • 2 Mpanjaka 11:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia navoakan’i Joiada ilay zanaky ny mpanjaka,+ ka nataony teo ambony lohany ny satroboninahitra* sy ny Tenin’ny Vavolombelona.*+ Ary nataon’izy ireo mpanjaka izy dia nohosorany. Dia nitehaka izy ireo sady nilaza hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”+

  • 2 Mpanjaka 11:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia hitan’i Atalia nitsangana teo akaikin’ny andry ny mpanjaka, araka ny fomba fanao.+ Niaraka tamin’ny mpanjaka teo koa ireo lehibe sy ny mpitsoka trompetra.+ Faly be ny vahoaka manontolo sady nitsoka trompetra. Dia norovitin’i Atalia ny akanjony, sady niantsoantso mafy izy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!”

  • 1 Tantara 12:39, 40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Dia nijanona telo andro tany amin’i Davida izy ireo, ka nihinana sy nisotro an’izay efa nomanin’ny rahalahiny ho azy ireo. 40 Nitondra sakafo be dia be teo ambony ampondra sy rameva sy ramole ary omby koa ny olona teny akaikin’izy ireo, ary na dia ny avy any amin’ny tanin’i Isakara sy Zebolona ary Naftaly aza. Ireto avy izany: Lafarinina, mofo vita tamin’ny aviavy noporetina sy tamin’ny voaloboka maina, divay, menaka, omby, ary ondry. Faly be mantsy ny Israely.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara