-
1 Samoela 9:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Rahampitso tokotokony ho hoatr’izao, dia halefako atỳ aminao ny lehilahy iray avy any amin’ny tanin’i Benjamina.+ Hosory ho mpitarika eo amin’ny Israely vahoakako izy,+ ary izy no hamonjy ny vahoakako eo an-tanan’ny Filistinina. Efa hitako mantsy ny fahorian’izy ireo ary efa tonga atỳ amiko ny fitarainany.”+ 17 Rehefa nahita an’i Saoly i Samoela, dia hoy i Jehovah taminy: “Io ilay lehilahy nolazaiko taminao hoe: ‘Izy no hitondra* ny vahoakako.’”+
-
-
1 Samoela 10:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Dia niteny tamin’ny vahoaka manontolo i Samoela hoe: “Hitanareo tsara ve ilay nofidin’i Jehovah?+ Jereo fa tsy misy hoatr’azy amin’ny olona rehetra!” Koa nihorakoraka izy rehetra hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”
-