-
Eksodosy 23:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “Intelo isan-taona ianao no tokony hanao fety ho ahy.+
-
-
Deoteronomia 12:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Mandehana kosa any amin’izay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra mba hametrahana ny anarany sy honenany, dia any ianareo no hanompo azy.+ 6 Any ianareo no tokony hanatitra ny fanatitra dorana,+ ny sorona, ny ampahafolon-karena,+ ny fanomezana avy aminareo,+ ny fanatitra fanefana voady, ny fanatitra an-tsitrapo,+ ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.+
-
-
Mpitsara 21:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia hoy izy ireo: “Misy fety ho an’i Jehovah atao isan-taona any Silo,+ any avaratr’i Betela, izany hoe eo atsinanan’ilay lalambe miakatra avy any Betela mankany Sekema, eo atsimon’i Lebona.”
-