-
2 Samoela 5:23, 24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Dia nanontany an’i Jehovah i Davida, nefa novaliany hoe: “Aza tonga dia miakatra, fa mandehana aloha mihodidina mankany aorianany. Dia asio izy rehefa tandrifin’ireo hazo bakà. 24 Rehefa maheno olona mirodorodo ianao, dia manaova zavatra avy hatrany, satria ho efa nivoaka hialoha anao i Jehovah mba hamely ny tafiky ny Filistinina.”
-
-
2 Mpanjaka 6:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Rehefa nifoha maraina ny mpanompon’ilay lehilahin’Andriamanitra ka nankeo ivelany, dia nahita tafika nanodidina ny tanàna niaraka tamin’ny soavaly sy kalesy fitondra miady. Tonga dia nilaza ilay mpanompo hoe: “Loza ity, tompoko! Inona no hataontsika?” 16 Hoy anefa izy: “Aza matahotra,+ fa ny miaraka amintsika dia betsaka noho ny miaraka amin’izy ireo.”+
-