-
Eksodosy 9:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Izao anefa no tena antony mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.+
-
-
1 Mpanjaka 8:43Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao+ any, ka hanao an’izay rehetra angatahin’ilay vahiny aminao! Amin’izay dia ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao, ka hatahotra anao+ hoatran’ny Israely vahoakanao izy ireo, ary ho fantany fa efa nantsoina teto amin’ity trano naoriko ity ny anaranao.
-
-
2 Mpanjaka 19:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Fa mba vonjeo eo an-tanany re izahay izao, ry Jehovah Andriamanitray ô! Amin’izay dia ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany, Jehovah ô, fa ianao irery ihany no Andriamanitra.”+
-