FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 14:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Izaho kosa hamela ny Ejipsianina* hiziriziry amin’ny heviny, ka hiditra hanenjika ny Israelita izy ireo. Dia hahazo voninahitra aho rehefa resy i Farao sy ny tafiny rehetra, sy ny kalesy fitondrany miady, ary ny mpitaingin-tsoavaliny.+

  • Josoa 2:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hoy izy tamin’izy roa lahy: “Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity,+ ary matahotra anareo izahay.+ Kivy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity satria ho avy ianareo.+ 10 Henonay mantsy fa nataon’i Jehovah ritra teo anoloanareo ny Ranomasina Mena, rehefa niala tany Ejipta ianareo.+ Henonay koa ny nataonareo tamin’ny mpanjaka amorita roa, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo teny ampitan’i* Jordana.

  • 1 Tantara 16:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Lazao amin’ireo firenena hoe be voninahitra izy,

      Ary lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zavatra mahatalanjona nataony.

  • Ohabolana 16:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Nataon’i Jehovah hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra,

      Ka na ny ratsy fanahy aza haringana, amin’ny andro hahitana loza.+

  • Isaia 63:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Aiza Ilay nanohana ny tanana ankavanan’i Mosesy+ tamin’ny sandriny be voninahitra,

      Dia Ilay nanasaraka ny rano teo alohan’izy ireo,+

      Mba hampahalaza ny anarany mandrakizay?+

  • Romanina 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara