Eksodosy 6:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Dia niteny tamin’i Mosesy i Jehovah hoe: “Ankehitriny dia ho hitanao izay hataoko amin’i Farao.+ Tanana matanjaka no hanery azy handefa azy ireo, ary tanana matanjaka koa no hanery azy handroaka azy ireo hiala ao amin’ny taniny.”+ Eksodosy 6:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 “Koa lazao amin’ny Israelita hoe: ‘Izaho no Jehovah, ary hanafaka anareo amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’ny Ejipsianina anareo aho. Hanafaka anareo amin’ny fanandevozany aho.+ Hanavotra anareo amin’ny sandriko mahery aho,* ary hosaziko mafy ry zareo.+ Eksodosy 15:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 Hatahotra sy hihorohoro izy ireo.+ Tsy hihetsika toy ny vato izy ireo noho ny herin’ny sandrinao,Mandra-pandalon’ny vahoakanao, Jehovah ô,Mandra-pandalon’ny+ vahoaka noforoninao.+
6 Dia niteny tamin’i Mosesy i Jehovah hoe: “Ankehitriny dia ho hitanao izay hataoko amin’i Farao.+ Tanana matanjaka no hanery azy handefa azy ireo, ary tanana matanjaka koa no hanery azy handroaka azy ireo hiala ao amin’ny taniny.”+
6 “Koa lazao amin’ny Israelita hoe: ‘Izaho no Jehovah, ary hanafaka anareo amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’ny Ejipsianina anareo aho. Hanafaka anareo amin’ny fanandevozany aho.+ Hanavotra anareo amin’ny sandriko mahery aho,* ary hosaziko mafy ry zareo.+
16 Hatahotra sy hihorohoro izy ireo.+ Tsy hihetsika toy ny vato izy ireo noho ny herin’ny sandrinao,Mandra-pandalon’ny vahoakanao, Jehovah ô,Mandra-pandalon’ny+ vahoaka noforoninao.+