-
Levitikosy 11:23, 24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Zava-maharikoriko aminareo ny bibikely hafa rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary manan-tongotra efatra. 24 Hahatonga anareo haloto ireny. Haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatin’ireny.+
-
-
Levitikosy 15:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “‘Haloto izay fandriana atorian’ilay olona misy tsiranoka mivoaka, ary haloto koa izay zavatra ipetrahany. 5 Tsy maintsy manasa ny akanjony izay mikasika ny fandrianan’ilay olona, ary tokony handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy.+
-
-
Levitikosy 15:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “‘Ary raha misy tsirinaina mivoaka amin’ny lehilahy, dia tokony hanasa ny vatany manontolo amin’ny rano izy. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy.+
-
-
Levitikosy 15:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “‘Raha misy lehilahy manao firaisana amin’ny vehivavy ka mamoaka tsirinaina, dia tokony handro amin’ny rano izy ireo ary haloto mandra-paharivan’ny andro.+
-
-
Nomery 19:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Haloto fito andro izay olona eny an-tsaha nikasika olona novonoina tamin’ny sabatra na nikasika faty na taolam-paty na fasana.+
-