-
1 Tantara 15:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Dia nankany an-tranon’i Obeda-edoma+ i Davida sy ny anti-panahin’ny Israely ary ny lehiben’ny arivo sady falifaly be, fa haka an’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah ka hampiakatra an’ilay izy avy any.+ 26 Nampian’ilay tena Andriamanitra ny Levita nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, ka nanao sorona vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito.+
-
-
Salamo 68:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Hitan’ny olona ny filaharana tarihinao, Andriamanitra ô,
Dia ny filaharana tarihin’ilay Andriamanitro sady Mpanjakako, mankao amin’ny toerana masina.+
-