-
1 Mpanjaka 5:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Fantatrao tsara fa tsy afaka nanao trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny i Davida raiko, satria niady taminy foana ny fahavalony manodidina azy, mandra-panaon’i Jehovah azy ireny ho eo ambany faladiany.+
-
-
1 Mpanjaka 8:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary nirin’ny fon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ 18 Hoy anefa i Jehovah tamin’i Davida raiko: ‘Nirinao tamin’ny fonao manontolo ny hanorina trano ho an’ny anarako, ary tsara izany fanirian’ny fonao izany. 19 Tsy ianao anefa no hanorina an’ilay trano, fa ny zanakao izay haterakao* no hanorina an’ilay trano ho an’ny anarako.’+
-
-
1 Tantara 17:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Mandehana lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Tsy ianao no hanorina trano hipetrahako.+ 5 Fa tsy nipetraka tao anaty trano aho, hatramin’ny andro nitondrako ny Israely nivoaka avy tany Ejipta ka hatramin’izao. Nifindrafindra tranolay foana aho, ary nifindrafindra toerana.*+ 6 Nandritra ny fotoana nandehanako niaraka tamin’ny Israely rehetra, izaho ve mba efa niteny tamin’ny mpitsaran’ny Israely, izay notendreko hiandry ny vahoakako, hoe: ‘Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho ahy?’”’
-
-
1 Tantara 22:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Dia hoy i Davida tamin’i Solomona zanany: “Mba nirin’ny foko ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro.+ 8 Niteny tamiko anefa i Jehovah hoe: ‘Efa betsaka ny ra nalatsakao sy ny ady nataonao. Tsy hanorina trano ho an’ny anarako ianao,+ satria be loatra ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo anatrehako.
-