-
1 Mpanjaka 5:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Mieritreritra ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro àry aho. Efa nampanantena an’i Davida raiko mantsy i Jehovah hoe: ‘Ny zanakao, izay hotendreko handimby anao eo amin’ny seza fiandriananao, no hanorina an’ilay trano ho an’ny anarako.’+
-
-
Zakaria 6:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia teneno izy hoe:
“‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Ity ilay lehilahy antsoina hoe Tsimoka.+ Hitsimoka eo amin’izay misy azy izy, ka hanorina ny tempolin’i Jehovah.+ 13 Izy no hanorina ny tempolin’i Jehovah, ary izy koa no hahazo voninahitra. Dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy ka hanjaka. Ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany koa izy.+ Ary hifanaraka tsara ireo andraikiny roa ireo.
-