-
2 Samoela 16:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Rehefa tafahoatra kely an’ilay tampon-tendrombohitra+ i Davida, dia efa nitsena azy teo i Ziba+ mpanompon’i Mefiboseta.+ Nitondra ampondra roa voaisy lasely izy, ary ireto no teo ambonin’ireo ampondra: Mofo 200, sy mofo 100 vita tamin’ny voaloboka maina, sy mofo 100 vita tamin’ny voankazo masaka fahavaratra,* ary divay eran’ny siny lehibe.+
-
-
2 Samoela 19:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary nisy 1 000 lahy avy amin’ny fokon’i Benjamina niaraka taminy. Nidina haingana nankany amin’ny Reniranon’i Jordana koa i Ziba,+ mpanompon’ny fianakavian’i Saoly, sy ny zanany lahy 15 ary ny mpanompony 20, mba ho tonga alohan’ny mpanjaka.
-