-
2 Samoela 9:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary nanana mpanompo atao hoe Ziba+ ny fianakavian’i Saoly. Dia nantsoina ho any amin’i Davida izy. Ary nanontany azy ny mpanjaka hoe: “Ianao ve no Ziba?” Dia hoy izy: “Izaho mpanomponao no izy.”
-
-
2 Samoela 16:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Rehefa tafahoatra kely an’ilay tampon-tendrombohitra+ i Davida, dia efa nitsena azy teo i Ziba+ mpanompon’i Mefiboseta.+ Nitondra ampondra roa voaisy lasely izy, ary ireto no teo ambonin’ireo ampondra: Mofo 200, sy mofo 100 vita tamin’ny voaloboka maina, sy mofo 100 vita tamin’ny voankazo masaka fahavaratra,* ary divay eran’ny siny lehibe.+
-