-
2 Samoela 8:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Resin’i Davida koa i Hadadezera, zanak’i Rehoba mpanjakan’i Zoba,+ tamin’izy io nankany amin’ny Reniranon’i Eofrata+ mba hanamafy indray ny fahefany. 4 Ireto ny babo azon’i Davida avy taminy: Mpitaingin-tsoavaly 1 700 sy miaramila 20 000 mpandeha an-tongotra. Dia notapahiny ny hoza-tongotry ny soavaly rehetra mpitarika kalesy,+ fa soavaly 100 sisa no tsy nataony an’izany.
5 Dia tonga nanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Syrianina avy any Damaskosy,+ kanjo 22 000 tamin’izy ireo no matin’i Davida.+
-