2 I Jehovah no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy.+
Ilay Andriamanitro no vatolampiko.+ Ao aminy aho no mialoka,
Izy no ampingako sy tandroka famonjena ahy, fialofana azoko antoka.+
3 I Jehovah, ilay mendrika hoderaina, no antsoiko,
Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.+