-
2 Samoela 22:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Hoy izy:
“I Jehovah no harambatoko sy manda fiarovana+ ho ahy ary Mpamonjy ahy.+
3 Ilay Andriamanitro no vatolampiko.+ Ao aminy aho no mialoka,
Izy no ampingako+ sy tandroka* famonjena* ahy, fialofana* azoko antoka+
Sy toerana fandosirako,+ ary mpamonjy+ ahy. Ianao no mamonjy ahy tsy hiharan’ny herisetra.
4 I Jehovah, ilay mendrika hoderaina, no antsoiko,
Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.
-