-
Salamo 18:43-45Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 Hamonjy ahy amin’ny fanakianana ataon’ny vahoaka ianao,+
Ary hanendry ahy ho filohan’ireo firenena.+
Vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.+
44 Hankatò ahy izy ireo raha vao mandre ny momba ahy fotsiny;
Hanatona ahy ny olona avy amin’ny firenen-kafa sady hatahotra.+
45 Tsy hanana herim-po intsony* ny olona avy amin’ny firenen-kafa;
Hangovitra izy ireo mivoaka avy ao amin’ny toerany voaro mafy.
-