FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 15:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Tonga hatrany amin’ny sisin-tanin’i Edoma+ sy ny tany efitr’i Zina ary ny farany atsimon’i Negeba ny tany azon’ny fokon’i Joda,*+ mba ho an’ny fianakavian’izy ireo.

  • Josoa 15:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nitohy ihany ilay sisin-tany ka niakatra nankany amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,+ nankeo amin’ny ilany atsimo amin’ny tehezan-kavoanan’ny Jebosita,+ izany hoe i Jerosalema,+ ary niakatra nankeo amin’ny tampon-tendrombohitra tandrifin’ny ilany andrefana amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Eo amin’ny sisiny avaratra amin’ny Lohasahan’ny* Refaima io tendrombohitra io.

  • 2 Samoela 5:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Niakatra indray ny Filistinina tatỳ aoriana, ka niparitaka teny amin’ny Lohasahan’ny* Refaima.+

  • 1 Tantara 11:15-19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nidina nankany amin’ny harambato ny 3 tamin’ireo 30 lahy lehiben’ny tafika, ka tonga tany amin’i Davida tao amin’ilay lava-bato tao Adolama.+ Efa nisy Filistinina nitoby teny amin’ny Lohasahan’ny* Refaima tamin’izay.+ 16 I Davida kosa tao amin’ilay toerana niafenany. Ary nisy toby miaramilan’ny Filistinina tao Betlehema. 17 Nangetaheta be i Davida ka hoy izy: “Raha izao aho izao no mba afaka misotro rano avy ao amin’ilay lavaka fanangonan-drano eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema a!”+ 18 Dia niditra an-keriny tao amin’ny tobin’ny Filistinina izy telo lahy. Nanovo rano tao amin’ilay lavaka fanangonan-drano teo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema izy ireo, ary nitondra an’ilay izy tany amin’i Davida. Tsy nety nisotro anefa izy, fa nararany ho an’i Jehovah ilay rano. 19 Ary hoy izy: “Sanatria ahy ny hanao an’izany! Izaho ange matahotra an’Andriamanitra e! Izaho ve dia hisotro ny ran’ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo?+ Ry zareo aza nanao vivery ny ainy mba hitondrana an’ilay rano atỳ amiko.” Tsy nety nisotro an’ilay rano àry izy. Izany no nataon’ireo miaramila matanjaka telo ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara