-
Josoa 15:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Nitohy ihany ilay sisin-tany ka niakatra nankany amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,+ nankeo amin’ny ilany atsimo amin’ny tehezan-kavoanan’ny Jebosita,+ izany hoe i Jerosalema,+ ary niakatra nankeo amin’ny tampon-tendrombohitra tandrifin’ny ilany andrefana amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Eo amin’ny sisiny avaratra amin’ny Lohasahan’ny* Refaima io tendrombohitra io.
-
-
1 Tantara 14:13-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Tatỳ aoriana, dia nanafika teo amin’ilay lohasaha* indray ny Filistinina.+ 14 Dia nanontany an’ilay tena Andriamanitra indray i Davida, nefa hoy Izy: “Aza tonga dia miakatra manaraka an-dry zareo, fa mandehana aloha mihodidina mankany aorianany. Dia asio izy rehefa tandrifin’ireo hazo bakà.+ 15 Rehefa maheno olona mirodorodo ianao, dia tonga dia tafiho ry zareo satria ho efa nivoaka hialoha anao ilay tena Andriamanitra, mba hamely ny tafiky ny Filistinina.”+ 16 Nataon’i Davida àry izay nasain’Andriamanitra nataony.+ Dia nasian’izy ireo ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gibeona ka hatrany Gazera.+ 17 Dia lasa nalaza hatraiza hatraiza i Davida. Ary nataon’i Jehovah natahotra be azy ny firenena rehetra.+
-