FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 11:22-25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Lehilahy be herim-po* i Benaia+ zanak’i Joiada, ary nahavita zavatra niavaka maro tao Kabzela+ izy. Nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba izy, ary nidina tao anaty lavaka fanangonan-drano tamin’ny andro nisy lanezy, dia namono liona iray.+ 23 Namono lehilahy ejipsianina iray goavam-be koa izy. Nirefy dimy hakiho* ilay lehilahy.+ Nitana lefona hoatran’ny voditenon’ny* mpanenona+ ilay Ejipsianina. Niady taminy anefa i Benaia na dia kibay ihany aza no teny aminy. Nosintoniny teny an-tanan’ilay Ejipsianina ilay lefona, ka iny ihany no namonoany azy.+ 24 Izany no nataon’i Benaia zanak’i Joiada, ary nalaza hoatran’ireo miaramila matanjaka telo ihany izy. 25 Niavaka kokoa izy raha oharina amin’ireo 30 lahy, saingy tsy nahavita ny vitan’ireo telo lahy.+ Notendren’i Davida ho lehiben’ny mpiambina azy anefa izy.

  • Ohabolana 30:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Ny liona izay biby mahery indrindra,

      Sady tsy mba mihemotra eo anatrehan’iza na iza,+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara