-
1 Tantara 21:18-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nasain’ilay anjelin’i Jehovah nilaza tamin’i Davida i Gada+ mba hiakatra, ka hanangana alitara ho an’i Jehovah eo amin’ny famoloan’i Ornana Jebosita.+ 19 Dia nataon’i Davida izay nolazain’i Gada tamin’ny anaran’i Jehovah, ka niakatra izy. 20 I Ornana indray tamin’izay nanosihosy varimbazaha teny am-pamoloana. Dia niherika izy ka nahita an’ilay anjely, fa ny zanany efa-dahy niaraka taminy kosa niafina. 21 Rehefa nankeo amin’i Ornana i Davida, dia nitazana i Ornana ka nahita azy. Tonga dia niala teo am-pamoloana àry i Ornana ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. 22 Hoy i Davida tamin’i Ornana: “Mba amidio amiko* ity tany misy ny famoloana ity, fa te hanorina alitara ho an’i Jehovah eto aho. Amidio amiko araka izay tena vidiny ilay izy. Amin’izay mba mitsahatra ilay loza mahazo ny vahoaka.”+ 23 Hoy anefa i Ornana tamin’i Davida: “Alaivo ho anao ny famoloana, dia ataovy izay hitan’ny mpanjaka tompoko fa mety.* Ireo fa omeko ny omby hatao fanatitra dorana. Dia ireo koa ny fitaovana fanosihosena varimbazaha+ hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra. Omeko daholo izy rehetra.”
-