FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 3:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Noroahiny àry ny olona, dia nasiany kerobima*+ sy lelan-tsabatra mirehitra sady mihodinkodina tsy an-kijanona, teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.

  • Eksodosy 25:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Manamboara koa kerobima volamena roa. Tefeo amin’ny marotoa ireo, ary ataovy eo amin’ny sisiny roa amin’ny sakan’ilay sarony.+

  • 1 Mpanjaka 6:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Dia nataony tao amin’ilay trano anatiny* ireo kerobima.+ Nivelatra ny elatr’izy ireo, ka tonga hatrany amin’ny rindrina iray ny elatry ny kerobima iray, ary hatrany amin’ilay rindrina anankiray ny elatry ny kerobima iray. Nivelatra koa ireo elatra roa hafa ka nifampikasika teo afovoan-trano.

  • 2 Tantara 3:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia norakofany volamena ny trano,+ ny hazo mitondra ny tafo, ny tokonana, ny rindrina, ary ny varavarana. Ary nasiany sarina kerobima voasokitra teny amin’ny rindrina.+

  • Ezekiela 41:17, 18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Norefesina daholo ny teo ambonin’ilay fidirana, ny tao anatin’ny tempoly sy ny teo ivelany, ary ny rindrina manodidina. 18 Nisy kerobima vita sokitra+ sy sarina hazo palmie tao,+ ka teo anelanelan’ny kerobima roa ny hazo palmie tsirairay. Samy nanana tarehy roa ny kerobima tsirairay.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara