FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 22:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Tsy nitandro hasasarana aho nanomana volamena 100 000 talenta,* sy volafotsy 1 000 000 talenta, ary varahina sy vy+ be dia be izay tsy voalanja intsony ho an’ny tranon’i Jehovah. Efa nanomana hazo sy vato+ koa aho, nefa mbola mila ampianao ireo.

  • 1 Tantara 22:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Tsy voalanja intsony koa ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ary ny vy.+ Atombohy àry ny asa, ary hanampy anao anie i Jehovah!”+

  • 2 Tantara 4:18-22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Dia nataon’i Solomona be dia be ireny fitaovana rehetra ireny. Tsy fantatra intsony izay lanjan’ny varahina.+

      19 Ary nataon’i Solomona ny fitaovana rehetra+ ho an’ny tranon’ilay tena Andriamanitra: Ny alitara volamena;+ ny latabatra+ fametrahana ny mofo aseho;+ 20 ny fitoeran-jiro sy ny jirony, izay samy volamena tsy misy fangarony,+ mba hirehitra eo anoloan’ny efitra anatiny indrindra, araka izay nasaina natao; 21 ny felam-boninkazo tamin’ny fitoeran-jiro, ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro,* izay samy natao tamin’ny volamena tsara indrindra; 22 ny famonoan-jiro, ny vilia baolina, ny kaopy, ny fitondrana afo, izay samy volamena tsy misy fangarony; ary ny fidirana amin’ny trano, izany hoe ny varavarana anatiny mankao amin’ny Masina Indrindra+ sy ny varavaran’ny tempoly. Samy volamena daholo ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara