-
2 Mpanjaka 19:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Fa mba vonjeo eo an-tanany re izahay izao, ry Jehovah Andriamanitray ô! Amin’izay dia ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany, Jehovah ô, fa ianao irery ihany no Andriamanitra.”+
20 Dia naniraka olona nankany amin’i Hezekia i Isaia zanak’i Amoza, hilaza hoe: “Izao no tenin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Efa henoko ny vavaka nataonao+ tamiko momba an’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria.+
-
-
2 Tantara 6:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 “Raha resin’ny fahavalo ny Israely vahoakanao satria nanota taminao foana,+ nefa miverina aminao izy ka manome voninahitra ny anaranao,+ ary mivavaka+ sy mitalaho famindram-po eo anatrehanao ato amin’ity trano ity,+ 25 dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any,+ ka hamela ny fahotan’ny Israely vahoakanao, ary hampody azy any amin’ny tany nomenao azy sy ny razambeny!+
-