-
1 Mpanjaka 16:30, 31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany,+ i Ahaba zanak’i Omry. 31 Hoatran’ny hoe tsy ampy azy ny nanao ny fahotana nataon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, fa mbola nanambady an’i Jezebela+ zanakavavin’i Etibala mpanjakan’ny Sidonianina+ koa izy. Ary lasa nanompo an’i Bala+ izy ka niankohoka teo anatrehany.
-
-
2 Mpanjaka 3:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Jorama+ zanak’i Ahaba, tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josafata mpanjakan’ny Joda. Ary nanjaka 12 taona izy.
-
-
2 Mpanjaka 3:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Nikiry nanao ny fahotana, izay nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama zanak’i Nebata, anefa izy.+ Tsy niala tamin’izany izy.
-
-
2 Mpanjaka 13:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Joasy+ zanak’i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Joahaza zanak’i Jeho.+ Ary nanjaka 17 taona izy. 2 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Joahaza, ka tsy niala tamin’ny fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama zanak’i Nebata.+ Tsy niala tamin’izany izy.
-