FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 8:7-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Fa efa hampiditra anao ao amin’ilay tany tsara i Jehovah Andriamanitrao.+ Tany be renirano* izy io, sady misy loharano sy rano lalina mikoriana eny amin’ny tany lemaka sy ny faritra be tendrombohitra. 8 Tany misy varimbazaha koa izy io, sady misy vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra,+ menak’oliva, ary tantely.+ 9 Tsy ho ory sakafo ianao ao amin’izany tany izany, sady tsy ho ory na inona na inona. Misy vy ny vato ao, ary ao amin’ny tendrombohitra ao ianao no hitrandraka varahina.

  • Deoteronomia 29:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Koa tezitra be sy vinitra ary nisafoaka i Jehovah, ka nanongotra an-dry zareo teo amin’ny taniny,+ ary nandefa azy tany an-tany hafa, dia ilay tany misy azy amin’izao.’+

  • Josoa 23:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Hoatran’ny nahatanterahan’ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo+ koa anefa, no hampiharan’i Jehovah aminareo ny loza* rehetra nolazainy hoe hanjo anareo, sy handringanany anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.+

  • 2 Mpanjaka 17:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Resin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria,+ tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea. Dia nataony sesitany+ tany Asyria ny vahoakan’Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin’ny reniranon’i Gozana,+ ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara