FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 9:53, 54
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Fa nisy vehivavy anankiray nandatsaka vato fikosoham-bary teo amin’ny lohan’i Abimeleka, ka vaky ny karandohany.+ 54 Dia nantsoiny haingana ilay mpanompo nitondra ny fitaovam-piadiany, ka hoy izy: “Tsoahy ny sabatrao dia vonoy ho faty aho, sao holazain’ny olona hoe: ‘Vehivavy no namono azy.’” Koa notrobaran’ilay mpanompony tamin’ny sabatra izy ka maty.

  • 1 Samoela 31:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: “Tsoahy ny sabatrao dia atsatohy amiko, sao dia ho avy hamely ahy ireo tsy mifora ireo+ ka hampijalijaly ahy sy tsy hiantra ahy.” Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Nalain’i Saoly àry ny sabatra, dia nianjerany mba ho voatrobaka izy.+

  • 2 Samoela 17:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Rehefa hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny, dia nasiany lasely ny ampondra ary nankany an-tranony tany an-tanànany+ izy. Namela hafatra tamin’ny ankohonany+ izy, ary avy eo nananton-tena+ ka maty. Dia nalevina tao amin’ny fasan-drazany izy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara