FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 13:1-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Raha misy mpaminany eo aminareo, na olona milaza ny hoavy amin’ny alalan’ny nofy, ka manome famantarana na fambara, 2 ary tanteraka ilay famantarana na fambara nolazainy, sady miteny izy hoe: ‘Andao isika hanaraka andriamanitra hafa’, andriamanitra mbola tsy fantatrao, ‘ary andao hanompo azy’, 3 dia aza mihaino an’izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Mitsapa anareo mantsy i Jehovah Andriamanitrareo,+ mba hahalalany raha tia an’i Jehovah Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo ianareo.+ 4 I Jehovah Andriamanitrareo no tokony harahinareo, ary izy no tokony hatahoranareo. Ny didiny no tokony hankatoavinareo, ary ny feony no tokony hohenoinareo. Izy no tokony hotompoinareo sy hifikiranareo.+ 5 Tokony hovonoina ho faty kosa izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Izy mantsy nitaona anareo hikomy tamin’i Jehovah Andriamanitrareo, ilay Andriamanitra nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, sy nanavotra anareo avy tany amin’ny toerana nanandevozana anareo. Nitaona anareo hiala amin’ilay lalana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo haleha koa izy. Esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.+

  • Deoteronomia 18:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “‘Raha misy mpaminany sahisahy ratsy milaza zavatra amin’ny anarako, nefa zavatra tsy nasaiko nolazainy, dia hovonoina ho faty izy. Hovonoina ho faty koa izy raha miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara