-
Deoteronomia 13:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Raha misy mpaminany eo aminareo, na olona milaza ny hoavy amin’ny alalan’ny nofy, ka manome famantarana na fambara, 2 ary tanteraka ilay famantarana na fambara nolazainy, sady miteny izy hoe: ‘Andao isika hanaraka andriamanitra hafa’, andriamanitra mbola tsy fantatrao, ‘ary andao hanompo azy’, 3 dia aza mihaino an’izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Mitsapa anareo mantsy i Jehovah Andriamanitrareo,+ mba hahalalany raha tia an’i Jehovah Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo ianareo.+ 4 I Jehovah Andriamanitrareo no tokony harahinareo, ary izy no tokony hatahoranareo. Ny didiny no tokony hankatoavinareo, ary ny feony no tokony hohenoinareo. Izy no tokony hotompoinareo sy hifikiranareo.+ 5 Tokony hovonoina ho faty kosa izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Izy mantsy nitaona anareo hikomy tamin’i Jehovah Andriamanitrareo, ilay Andriamanitra nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, sy nanavotra anareo avy tany amin’ny toerana nanandevozana anareo. Nitaona anareo hiala amin’ilay lalana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo haleha koa izy. Esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.+
-
-
Jeremia 28:11-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary hoy i Hanania teo anatrehan’ny vahoaka manontolo: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hoatr’izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ato anatin’ny roa taona, ka tsy ho eo amin’ny vozon’ny firenena rehetra intsony izany.’”+ Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.
12 Rehefa avy notapahin’i Hanania mpaminany ilay zioga teny amin’ny vozon’i Jeremia mpaminany, dia niteny tamin’i Jeremia i Jehovah hoe: 13 “Mandehana lazao amin’i Hanania hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Zioga hazo no notapahinao,+ fa zioga vy kosa no hataonao solony.” 14 Fa izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Hasiako zioga vy eo amin’ny vozon’ireny firenena rehetra ireny, mba hanompoan’izy ireny an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka tsy maintsy hanompo azy izy ireny.+ Na ny bibidia aza homeko azy.”’”+
15 Dia niteny tamin’i Hanania+ mpaminany i Jeremia mpaminany hoe: “Henoy ny teniko, azafady, ry Hanania! Tsy naniraka anao i Jehovah, fa nampino lainga an’ity vahoaka ity ianao.+ 16 Izao àry no lazain’i Jehovah: ‘Hesoriko tsy ho eny ambonin’ny tany ianao. Amin’ity taona ity ianao dia ho faty, satria mampirisika ny olona hikomy amin’i Jehovah.’”+
17 Koa maty tamin’ny volana fahafito tamin’iny taona iny ihany i Hanania mpaminany.
-