-
Jeremia 23:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Tsy naniraka an’ireo mpaminany ireo aho, nefa nihazakazaka nanao an’izany izy ireo.
Tsy niteny taminy aho nefa naminany izy ireo.+
-
-
Jeremia 27:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “‘Fa tsy naniraka an’ireny aho’, hoy i Jehovah, ‘nefa maminany lainga amin’ny anarako izy. Koa raha mihaino azy ianareo dia haparitako, ary ho faty ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.’”+
-
-
Ezekiela 13:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hahita loza izay mpaminany adala maminany an’izay ao an-tsainy fotsiny, nefa tsy nahita na inona na inona akory!+
-