-
Jeremia 27:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “‘Fa tsy naniraka an’ireny aho’, hoy i Jehovah, ‘nefa maminany lainga amin’ny anarako izy. Koa raha mihaino azy ianareo dia haparitako, ary ho faty ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.’”+
-
-
Jeremia 29:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Izao mantsy no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Aza avela hamitaka anareo ny mpaminany sy ny mpisikidy eo aminareo.+ Ary aza mihaino ny nofiny, izay tantarainy aminareo. 9 Fa ‘maminany lainga aminareo amin’ny anarako izy ireny, nefa tsy naniraka azy aho’,+ hoy i Jehovah.”’”
-