FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 15:25-29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Lasa mpanjakan’ny Israely i Nadaba+ zanak’i Jeroboama tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda. Ary nanjaka roa taona teo amin’ny Israely izy. 26 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, ary nanao hoatran’izay nataon-drainy+ sady nanao an’izay fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’ny rainy.+ 27 Nanao tetika hamelezana an’i Nadaba i Basa zanak’i Ahia anisan’ny taranak’Isakara, ka namely azy tao Gibetona,+ izay an’ny Filistinina. Nanao fahirano an’i Gibetona i Nadaba sy ny Israely rehetra tamin’izay. 28 Novonoin’i Basa àry izy tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, ka i Basa no nanjaka nandimby azy. 29 Raha vao lasa mpanjaka i Basa, dia novonoiny daholo ny ankohonan’i Jeroboama. Tsy nasiany niangana izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny fianakavian’i Jeroboama. Nasainy naripaka izy ireo, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ahia Silonita mpanompony.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara