-
2 Mpanjaka 2:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ary nalainy ilay akanjo nanaovan’i Elia, izay latsaka avy teny aminy, ka nokapohiny tamin’iny ilay rano sady niteny izy hoe: “Aiza i Jehovah Andriamanitr’i Elia?” Dia nisaraka roa ilay rano rehefa nokapohiny, ka niampita izy.+
-
-
2 Mpanjaka 2:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Hoy àry i Elisa: “Itondray vilia baolina kely vaovao aho, ary asio sira ao anatiny.” Dia nitondran’izy ireo izy. 21 Nankany amin’ilay loharano izy avy eo, dia nanipy sira tao+ sady niteny hoe: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Efa nodioviko* ity rano ity. Tsy hahafaty intsony izy ity na hahatonga ny olona tsy hiteraka.’”*
-
-
2 Mpanjaka 4:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia midira ao an-trano ianao sy ny zanakao, ary hidio ny varavarana. Fenoy menaka daholo ireo siny, ka atokàny izay feno.”
-
-
2 Mpanjaka 4:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nandeha nilaza an’izany tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra àry ilay vehivavy. Dia hoy ilay lehilahin’Andriamanitra: “Mandehana amidio ilay menaka, dia aloavy ny trosanao. Ny ambiny kosa azonao sy ny zanakao ivelomana.”
-
-
2 Mpanjaka 6:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Rehefa nikapa hazo anefa ny anankiray, dia nipitika tao anaty rano ny lelam-pamaky. Koa nitaraina izy hoe: “Loza ity, tompoko! Famaky nindramina iny!” 6 Ary hoy ilay lehilahin’Andriamanitra: “Fa taiza ilay izy no latsaka?” Dia natorony azy ilay toerana. Nanapaka rantsankazo i Elisa avy eo ka natsipiny tao, dia natsinkafony ilay lelam-pamaky. 7 Ary hoy izy: “Io alaivo.” Dia natsotran’ilay lehilahy ny tanany, ka nalainy ilay izy.
-