-
2 Mpanjaka 8:29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Niverina tany Jezirela+ àry i Jorama Mpanjaka, mba hotsaboina noho ny ratra nahazo azy tamin’izy nasian’ny Syrianina tany Rama, rehefa niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Syria.+ Ary nidina tany Jezirela i Ahazia zanak’i Jorama mpanjakan’ny Joda mba hamangy an’i Jorama zanak’i Ahaba, noho izy naratra.*
-
-
2 Mpanjaka 9:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Rehefa nahita an’izay nitranga i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, dia nandositra nanaraka ny lalana mankany amin’ny zaridaina lehibe.*—Tatỳ aoriana, dia nanenjika azy i Jeho, ka niteny hoe: “Asio koa iny!” Dia nasian’izy ireo tao anaty kalesiny izy, teny an-dalana hiakatra tany Gora, any akaikin’i Ibleama.+ Mbola nandositra hatrany Megido ihany anefa izy, ka tany izy no maty.
-