-
2 Tantara 21:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Rehefa lasan’i Jorama anefa ny fanjakan’ny rainy, dia nanamafy orina ny toerany izy, ka novonoiny tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra+ sy ny andriana sasany teo amin’ny Israely.
-
-
2 Tantara 22:10-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Rehefa hitan’i Atalia+ renin’i Ahazia fa maty ilay zanany, dia naripany daholo ny tarana-mpanjaka avy amin’ny Joda.+ 11 Nalain’i Josebata, zanakavavin’ny mpanjaka, anefa i Joasy+ zanak’i Ahazia. Naka azy an-tsokosoko teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka efa hovonoina izy. Dia nataony tao amin’ny efitra anatiny fatoriana i Joasy sy ilay mpitaiza azy. Vitan’i Josebata zanakavavin’i Jorama Mpanjaka+ ny nanafina an’i Joasy mba tsy ho hitan’i Atalia, ka tsy matiny izy.+ Vadin’i Joiada+ mpisorona io Josebata io, sady anabavin’i Ahazia. 12 Niafina niaraka taminy tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra nandritra ny enin-taona i Joasy, tamin’i Atalia nanjaka teo amin’ilay tany.
-