-
Nomery 11:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Dia nivoaka i Mosesy ka noteneniny tamin’ny vahoaka ny tenin’i Jehovah. Ary nanangona 70 lahy avy tamin’ny anti-panahy teo amin’ny vahoaka izy, ka nasainy nijoro nanodidina ny tranolay izy ireo.+ 25 Dia nidina tao anaty rahona i Jehovah,+ ka niresaka tamin’i Mosesy.+ Ary nakany ny fanahy+ tao amin’i Mosesy ka samy nomeny tamin’ilay fanahy ireo anti-panahy 70 ireo. Vao niasa tamin’izy ireo ny fanahy, dia nanao hoatran’ny mpaminany*+ izy ireo. Tamin’io ihany anefa izy ireo no nanao an’izany.
-
-
Nomery 27:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Alaivo i Josoa zanak’i Nona, fa manana ny toetra ilaina mba ho mpitarika izy. Dia ametraho tanana izy.+
-