-
Isaia 38:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia.+ Ary tonga tao aminy i Isaia mpaminany+ zanak’i Amoza, ka niteny hoe: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Mamelà hafatra amin’ny ankohonanao, satria ho faty ianao fa tsy ho sitrana.’”+ 2 Dia nitodika tany amin’ny rindrina i Hezekia, ka nivavaka tamin’i Jehovah hoe: 3 “Mitalaho aminao aho, Jehovah ô! Mba tsarovy+ re aho fa tsy nivadika taminao e, sady nanompo anao tamin’ny foko manontolo!+ Nanao izay tsara teo imasonao koa aho.” Dia nitomany be izy.
-