20 Hamaly ny vavaka ataonao anie i Jehovah, amin’ny andro fahoriana!
Hiaro anao anie ny anaran’ilay Andriamanitr’i Jakoba!+
2 Hanampy anao avy ao amin’ny toerana masina+ anie izy,
Ary hanohana anao avy ao Ziona!+
3 Hotsaroany anie ny fanatitra rehetra ataonao fanomezana ho azy;
Enga anie izy hankasitraka ny fanatitra dorana atolotrao! (Sela)