-
2 Mpanjaka 5:25-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 dia nankao amin’ny tompony i Gehazy ka nijoro teo akaikiny. Dia hoy i Elisa taminy: “Avy taiza ianao, ry Gehazy?” Ary hoy izy: “Tsy taiza tsy taiza ny mpanomponao.”+ 26 Dia hoy i Elisa taminy: “Tsy fantatro angaha izay nitranga rehefa nidina avy teo amin’ny kalesiny ilay lehilahy mba hitsena anao? Angaha moa izao fotoana andraisana volafotsy, na akanjo, na sahan’oliva, na tanimboaloboka, na ondry, na omby, na mpanompolahy, na mpanompovavy?+ 27 Koa hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan’i Namàna.”+ Dia niala teo anatrehany avy hatrany i Gehazy, ka tonga dia boka ary lasa fotsy be hoatran’ny lanezy.+
-
-
2 Mpanjaka 8:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Niresaka tamin’i Gehazy, mpanompon’ilay lehilahin’Andriamanitra, ny mpanjaka tamin’izay. Hoy izy taminy: “Mba tantarao amiko hoe, azafady, ny zavatra miavaka rehetra nataon’i Elisa!”+
-