8 “Ary ianao, ry Joda,+ hoderain’ny rahalahinao ianao.+ Ho eo amin’ny hatoky ny fahavalonao ny tananao,+ ary hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.+
10 Tsy hiala amin’i Joda mihitsy ny tehim-panjakana,+ ary tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan’i Silo.*+ Dia hankatò an’i Silo ny firenena rehetra.+
3 “Ny hitoby eo atsinanana, izany hoe tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia ny fizarana misy ny tobin’i Joda, arakaraka ny antokony* avy. I Nasona+ zanak’i Aminadaba no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Joda,
14 Ny fizarana nisy ny tobin’ny taranak’i Joda àry no niainga voalohany, arakaraka ny antokony* avy. I Nasona+ zanak’i Aminadaba no mpifehy ny antokon’ny taranak’i Joda.