-
Josoa 21:32, 33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Ary ny avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona,+ izany hoe ny tanànan’i Kedesy+ any Galilia sy ny kijanany. Azony koa i Hamota-dora sy ny kijanany, ary Kartana sy ny kijanany, izany hoe tanàna telo.
33 Ny tanàna rehetra azon’ny Gersonita, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 13 sy ny kijanany.
-