-
1 Tantara 28:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia nomen’i Davida an’i Solomona zanany ny planin’ny+ tilikambo fidirana+ sy ny efitra isan-karazany, ny efitra fitehirizana entana, ny efitra any an-tampon-trano, ny efitra anatiny, ary ny trano misy ny sarony fampihavanana.*+ 12 Dia nomeny azy ny planin’ny zava-drehetra azony avy tamin’ny fanahy masina, izany hoe ny planin’ny tokotanin’ny+ tranon’i Jehovah, ny efitra fisakafoana rehetra manodidina an’ilay trano, ny fitehirizana ny zava-tsarobidy ao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, ary ny fitehirizana ny zava-tsarobidy efa nohamasinina.*+
-
-
2 Tantara 31:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Mendri-pitokisana izy ireo ka nampidiriny tao daholo ny fanomezana sy ny ampahafolon-karena+ ary ny zava-masina. I Konania Levita no niandraikitra sy nanara-maso an’ireny rehetra ireny, ary i Simey rahalahiny no nanarakaraka azy.
-