-
2 Samoela 7:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Rehefa tafapetraka tsara tao amin’ny tranony*+ ny mpanjaka sady nataon’i Jehovah nilamin-tsaina satria novonjeny tamin’ny fahavalo rehetra nanodidina azy, 2 dia hoy izy tamin’i Natana+ mpaminany: “Izaho ity mipetraka ato amin’ny trano sedera,+ nefa ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra mipetraka ao anaty tranolay!”+ 3 Dia hoy i Natana taminy: “Mandehana ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa manohana anao i Jehovah.”+
-
-
1 Tantara 15:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ary mbola nanao trano hafa ho an’ny tenany i Davida tao amin’ny Tanànan’i Davida. Nanomana toerana ho an’ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra koa izy, ka nanangana tranolay ho an’ilay izy.+
-