-
1 Samoela 16:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo be noho ny nataon’i Saoly,+ nefa izy aza efa tsy nekeko ho mpanjakan’ny Israely intsony?+ Fenoy menaka ilay tandroka any aminao,+ dia mandehana. Hirahiko hankany amin’i Jese+ Betlehemita ianao, fa efa nifidy anankiray amin’ireo zanany lahy ho mpanjaka aho.”+
-
-
1 Samoela 17:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Ary nandre an’i Davida nifampiresaka tamin’ireo lehilahy ireo i Eliaba zokiny lahimatoa.+ Dia tezitra tamin’i Davida izy, ka niteny hoe: “Maninona ianao no nidina atỳ? Iza izao no nampiandrasinao an’ireo ondry vitsivitsy any an-tany efitra?+ Fantatro tsara fa olona mirehareha sy fetsifetsy ratsy ianao. Hijery ady fotsiny no nidinanao atỳ.”
-