-
2 Mpanjaka 23:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Mbola tsy nisy Paska nankalazaina toy izany hatramin’ny andron’ireo mpitsara izay nitsara ny Israely, na tamin’ny andro rehetra nanjakan’ireo mpanjakan’ny Israely sy mpanjakan’ny Joda.+ 23 Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josia Mpanjaka no nankalazaina tany Jerosalema izany Paska ho an’i Jehovah izany.
-
-
2 Tantara 30:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nanapa-kevitra izy ireo fa hampandrenesina ny vahoaka eran’i Israely, hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana,+ hoe tokony hankany Jerosalema izy ireo mba hankalaza ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Tsy mba niaraka nankalaza an’ilay izy araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàna mantsy izy ireo talohan’izay.+
-
-
2 Tantara 30:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Ary faly be ny tany Jerosalema, satria mbola tsy nisy hoatr’izany tany, hatramin’ny andron’i Solomona zanak’i Davida mpanjakan’ny Israely.+
-