-
Ezekiela 17:12-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Lazao amin’io taranaka mpikomy io, azafady, hoe: ‘Tsy azonareo ve ny dikan’izany?’ Koa lazao hoe: ‘Tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona, ary nalainy ny mpanjaka sy ny andriana tao ka nentiny niaraka taminy tany Babylona.+ 13 Naka iray tamin’ny taranaky ny mpanjaka koa izy,+ ka nanao fifanekena taminy ary nampanao fianianana azy.+ Dia nentiny koa ny olona ambony tao amin’ilay tany,+ 14 amin’izay dia haetry ilay fanjakana ka tsy ho tafarina intsony. Rehefa manaja an’ilay fifanekena nataony ihany anefa ny vahoaka vao haharitra ilay fanjakana.+ 15 Nikomy taminy anefa ilay mpanjaka tamin’ny farany+ ka naniraka olona ho any Ejipta, satria te hahazo soavaly+ sy tafika lehibe avy any.+ Dia hahomby ve izy? Dia tsy ho voasazy ve ilay manao an’izany? Raha tsy manaja fifanekena ve izy dia hanantena hoe ho afaka handositra?’+
-